mercredi 30 mai 2018

Alaivo miadana dia ento mora foana,
 fa ny maika ihany no sasatra sy sahirana...



Maro tokoa ny mahare fa vitsy lavitra ny tena maheno...

Feno olona tsara eto an-tany, 
raha tsy mahita ianao dia meteza ho anisany ...

Tsy misy dikany ny hitsarana ny olana iray tamin'ny lasany, satria izy avy teo efa nianatra dia niova ary nihetsika koa ...

Tsy ny olana no tena olana, fa olana dia ilay fomba fiatrehanao azy ...


mardi 7 juin 2016

Rehefa foana ny eritreritra dia tsy misy mampiasa saina intsony, tsy misy afa-tsy ny eto sy ny ankehitrio sisa no mijanona...